Nilaozan'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nilaozan'olon-tiana

gina ny tontolo
nisy ahy sy anao
ilay fitia bobon-golo
izay nataonao kilalao

niaraka niory
tamiko ny natiora
ka nisinda sy nitony
sy nivadika hirahira

nilaozanao aho mantsy
toa mila tsy ho tanty
raha tsy hitoetra anilanao
nankarary ahy toy izao

mba niangavy nitalaho
nandadilady tamin'ny tany
indrisy nilaozany aho
ka navelany hitomany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
382 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162