Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny tena fitiavana (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena fitiavanaDia ny mahafoy ny ainy
Ho an'ilay tiany sy lalainy
Ka ho fitia lamban'akoho
Faty no hisarahan'olon-droa
Dia tsy misy fetra
Sahy manolotra ny androny rehetra
Ho an'ilay tiany sy tsy foiny
Ka afom-pitiavana tsy levon'ny ony
Dia ny mifanaja
Tsy aniany tsy kilalaon-jaza
Vonona hatrany ny hiara-dia
Aina no fetran'ny fitia
Dia ny miaraka
Tsy mba misaina izay hisaraka
Angamba tsy hisy izay ho lao
Fa tena fitiavana ny ahy sy ianao
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
