Tiako hitoetra (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako hitoetraIreo teny fitiavana sy angolanao
Tiako tsy foiko hatramin'izao
Ny angotiteninao tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo hafaliana sy haravoravoana
Indrindra isika rehefa tafahoana
Izay sambatra ery tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo horokoroka sy safosafo
Nifamipihina sy pimaso
Indrindra indrindra ireo teny mamy
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo fahatsiarovana tany aloha
Tiako hiverina indray avokoa
Ireo embona tsiahy tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana tsiahy embona - Fitiavana