Tokam-po (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokam-poAdala ianao ry foko
Miraikim-pitia loatra
Amin'ny olona iray
Tsy mety miova loko
Diso tia tafahoatra
Ka mitia mandrakizay
Adala ianao no fantatro
Fa tsy mahay manararaotra
No mionona amin'ny tokana
Ny lanitra tsy ho takatro
Fa tokam-po loatra
Tsy mety,tsy azo ongatana
Adala ianao fa jamba
Tsy mahita ny ambany maso
Fa manaja azy fatratra
Toa ianao ity lalim-paka
Tsy matahotra an-kaso
Fa sambatra sy lafatra
Toy ny siny ianao ry foko
Tsy mahalala afatsy rano
Toy fitia voromailala
Azo toky fa doria tokoa
Ka sahy mivelirano
Fa hanaja anao malala
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana