Veloma mandrampiaona (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma mandrampiaonasendra tratra hariva aho tamin'izay
nandalo tanàna kely iray
ny tena amin'io efa reraka
ka namonjy, nankaina, nipetrapetraka
tamin'izay indrindra no nahatazanako
tovovavy iray nandalo ny lalako
koa nanainga azy aho mba hipetrapetraka
ka fantatro teo fa aty izy no mipetraka
minitra vitsivitsy monja
no niresahako taminy
izay lasa fitia, fitia mafonja
raha vao iny ka fantatro ny aminy
nanomboka teo aho dia latsa-pitia
toa tsy mafoy azy tampoka teo
nanonja dia nanonja ilay fitia
ka noborahako taminy no ny aveo
ny andro amin'io efa maizana be
izaho nefa tsy maintsy handeha
tsy maintsy mamonjy ilay fotoana
mino aho nefa fa mbola hiaona
nitazona ihany izy mba hijanona mandry
fa izaho no tsy nety ka nandà izany
no tsofiko rano izy ho tafandrimandry
sady nampiarahako teny mamy
noraisiko ny tanany iray
nefa mandrosoa, kely ny fotoana
noroako kely izy tamin'izay
koa hoy aho hoe veloma mandrampiaona
fa raha sitraky ny Avo dia mbola hiaona
any andro iray ho tafahoana
veloma, veloma, ianao tiako foana
veloma ianao ka mandrampiaona
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana