Meteza (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
meteza ianao ry foko ho tony lalandava
fantatrao mantsy fa mbola be ny hitranga
aza mitroatra loatra na inona miseho
na tena fifaliana na loza sy toreo

meteza ho mora atoro sady be fitiavana
na ho an'ireo namana, tsy adino koa ny havana
aza mora tezitra na koa hoe misendaotra
aoka ajanony, tsy dia mahatsara loatra

ny alahelo be ferofero ihany
aza ela loatra rehefa ianao tomany
ry tebitebim-poko meteza hanantena
fa ny ho avinao mamiratra na inona mitsena

izato lolom-po fohano diaeny izao
ireo fankahalana mankarary anao
raha tianao ny ho salama hateza eto an-tany
meteza hamela heloka na iza, iza izany

mahaiza manadino ny lasa ratsy rehetra
aoka hahay hionona sady hahay hametra

Nofy2
30 Juillet 2018
--------
Rohy:
624 2
Mpakafy: diyh - nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 12/05/2020 16:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144