Tsaroako (Ny Radontsoa Mamiratra)

Lu par NyRadontsoaMamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako ianao androany ry zanak’olona iny:
‘lay endrika mateza tsy levon’ny fotoana;
‘Lay tononkalo teraka tam-poko babangoana:
Namorona poeta tamin’ny androko fahiny …

Tsaroako indrindra ianao r’ilay mpanainga vetso;
R’ilay hatsarana tanaty sarin-teny;
‘Lay tsy mba nahalala ny dikan’izy ireny
‘zay lasa ranomaso sy rima vonto sento …

Tsaroako anio ianao ‘lay tokony hohadinoina
fa mbola mierinerina an-dapan’ny fitiavako:
Anarana niriako sy tsy afaka ao am-bavako
fa nisaloran’olona tsy ho fantatro na oviana …

Mahatsiaro anao aho ry Ary elatra iny a!
Nisidi-nanalavitra ny taniko sy ny amiko …
Kanefa hatramin’izao toa mbola ianao no olo-mamiko
Koa mba mivilia raha sendra mivahiny

Fa … Miandry anao ny akaniko …


Ny Radontsoa Mamiratra
--------
Lien:
167 1
Fans: hery
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Radontsoa Mamiratra
Inséré par : NyRadontsoaMamiratra
Date : 28/09/2024 16:39
Lectures
Lu par NyRadontsoaMamiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144