Tsaroiko (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroiko ianao androany ry zanak’olona iny:
‘lay endrika mateza tsy levon’ny fotoana;
‘Lay tononkalo teraka tam-poko babangoana:
Namorona poeta tamin’ny androko fahiny …

Tsaroiko indrindra ianao r’ilay mpanainga vetso;
R’ilay hatsarana tanaty sarin-teny;
‘Lay tsy mba nahalala ny dikan’izy ireny
‘zay lasa ranomaso sy rima vonto sento …

Tsaroiko anio ianao ‘lay tokony hohadinoina
fa mbola mierinerina an-dapan’ny fitiavako:
Anarana niriako sy tsy afaka ao am-bavako
fa nisaloran’olona tsy ho fantatro na oviana …

Mahatsiaro anao aho ry Ary elatra iny a!
Nisidi-nanalavitra ny taniko sy ny amiko …
Kanefa hatramin’izao toa mbola ianao no olo-mamiko
Koa mba mivilia raha sendra mivahiny

Fa … Miandry anao ny akaniko …


Ny Radontsoa Mamiratra
--------
Rohy:
74 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : NyRadontsoaMamiratra
Daty : 28/09/2024 16:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014