Tsy fitiavana, hono ... (Ny Radontsoa Mamiratra)

Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo ngadona mamy foronin’ny foko:
Niainga fanahy noho ireo masonao;
Ireo sarisary manjary tsaroako
raha vao te-hamorona hira vaovao …

Ireo nofinofy miantso ambiroa
hitoetra ao anatin’ny “fo manantena”;
Ireo sebisebin’ny tongotro roa
rehefa handalo any Avaratsena …

Ireo anjomara nanaitra Fanahy
tanatin’ny alina tsinana volana;
Ireo fiheverana naharendrika ahy:
Fihetsem-po mbola ts’isy voambolana …

Ireo badabadan’ny tsy nety teraka:
nitabataba tanatin’ny saiko;
Ireo fahazavana ‘zay toa naninteraka;
Ireo naharary, nanindrona ny aiko …

Ireo hirahira, ireo tononkalo …
Nindramiko hambomba ny redin’ny foko …
“Eritreritra monja, ary nofy mandalo;
Tsy mendrika hanimbazimbako ny zoko” …
Ireo tokony haleviko sy hadinoiko …

Ny Radontsoa Mamiratra
08/2024
--------
Lien:
278 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Radontsoa Mamiratra
Inséré par : NyRadontsoaMamiratra
Date : 14/06/2025 22:29
Lectures
Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114