Tsy fitiavana, hono ... (Ny Radontsoa Mamiratra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo ngadona mamy foronin’ny foko:Niainga fanahy noho ireo masonao;
Ireo sarisary manjary tsaroako
raha vao te-hamorona hira vaovao …
Ireo nofinofy miantso ambiroa
hitoetra ao anatin’ny “fo manantena”;
Ireo sebisebin’ny tongotro roa
rehefa handalo any Avaratsena …
Ireo anjomara nanaitra Fanahy
tanatin’ny alina tsinana volana;
Ireo fiheverana naharendrika ahy:
Fihetsem-po mbola ts’isy voambolana …
Ireo badabadan’ny tsy nety teraka:
nitabataba tanatin’ny saiko;
Ireo fahazavana ‘zay toa naninteraka;
Ireo naharary, nanindrona ny aiko …
Ireo hirahira, ireo tononkalo …
Nindramiko hambomba ny redin’ny foko …
“Eritreritra monja, ary nofy mandalo;
Tsy mendrika hanimbazimbako ny zoko” …
Ireo tokony haleviko sy hadinoiko …
Ny Radontsoa Mamiratra
08/2024
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa MamiratraNampiditra : NyRadontsoaMamiratra
Daty : 14/06/2025 22:29
