Ampidiro aloha ny tenimiafina
atao ahoana moa (Rajordri)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fenofeno fahanginanaity andro anio ity
rakodrakotr'embonembona
te hitondra moramora
irony sentosento
hananiky ny havoana
hitety tendron-kazo
hiaraka hikopaka amin'ny vorona manidina.
Fa nahoana indrindra ange?
angamba mahatsiaro
ny aloky ny omaly
sy ny ranomaso
nijohy tao am-po
tami' nifandaozana,
saingy atao ahoana moa
fiainana hono ireny
ka ny mionona no mety.
--------
Lien:
Catégorie :
embona
