ODY FITIA (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona rehefa mateza ny fitiavana
Dia lazaina fa misy ambadika
Raha maty aho matesa rahavana
Fa ianao ihany tiako ho vadiko

Zay vavan'olona tsy raraiko
Fa ianao ihany tiako
Raha tsy ianao no miteny hoe izah tsy tia
Izay aho vao mety hionona
Raha resaka ody fitia
Tsy manao an'izany izao fa endrikendrean~olona

Tena tiako ianao ambarako eto anio
Ka porofoy aminy lay fitiavako anao madio

Zao ve ny hatsarako
Dia ody fitia no tompoina fatratra
Tsy ho ainareo ny tantarako
Fa Andriamanitra ihany no mpandahatra

Mpamonjy ny olona very
Tsy mamela anao irery

Izy no inona teny
Fa namorona izao tontolo rehetra izao
Ary alatsaho ao an-tsaina obieniobieny
Fa tsy foiny ianao

11juin 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Alahelo - fiainana - Fitiavana
1395 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142