NAMAKO IREO (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Vao tonga teto Morondava
 Tsy dia nahasokatsoka-bava
 Koa nahita namana sahy
 Tsy iza io fa « Lorcka »

 Taty aorina indray
 Dia nisy bandy kely iray
 Izay milalao tsy misy farany
 Dia i « Luco » no anarany

 Zaza lahy miavaka amin’ny rehetra
 Izay tsy tia misetrasetra
 Boay kely tia mihisa
 Izy indray ilay hoe « Missa »

 Inty indray tany ampianarana
 No nifankafantaranay anarana
 Ilay zandry tia dessin annimée
 I HASINIAINA Manassé

 Namana tsotso-piainana
 Hafahafa fisainana
 Izy ihany dia efa ampy
 Hanolontsaina sy anampy, (Manampy)

 Ilay akama toa rahalahy
 Izay fatra-pananatra ahy
 Tsy mandatsaka ao andavaka
 I « Michel » tia vavaka.

 Zandry lahy hava-tiana
 Handresena ny hakiviana
 Tsy maintsy mihomehy hatrany
 Raha mbola eo koa i « Le Dany »

 Lany raha manao hatsikana
 Tena tsara ihany koa ny vitany
 Mampihomehy izy raha mandihy
 I « Nestor » comédie
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
383 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144