VELOMA MBOLA IHAONA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atreto ilay ora voatendry Izay tsy maintsy ifandaozantsika
Koa tapitra hatreto ary ny karenjy
Tsy maintsy farànana na mbola tsy vita
Tonga ary inty ny fotoana
Izay tsy maintsy isarahana
Andaozako ny anaranao
Andaozako ny fitiavanao
Tena mafy amiko tokoa
Ny andao anao ry ilay namako tiako
Nohon’ny hamaroan’ny soa
Nafafinao ahy antsitra-po
Iny ary aho no lasa koa veloma!
Andao anao an-dranomaso
Hitodika hamonjy ny fodiana
Manjonitra, malahelo anao mangina
Misaotra tamin’ny fitiavana
Mba niezaka namalifaly
Ireny amiko tena goavana
Indrindra amin’ny ara-moraly
Tsy ho lefy ato ampoko ireo fotoana mamy
Nifampizarana ireo kolon-tsaina
Indrindra eo amin’ny sehatrin’ny fizahan-tany
Miraikitra ao andoha tsy miala ao an-tsaina
Ny hafatro dia aza manadino
Ilay tantaran-tsika niserana
Izao manko mahatoky sy mino
Fa ho avy ny andro iverenana
Mahereza ary izany namako izany
Mahereza! Aokizay ny tomany
Tsy ho adinoko ireo zavatra vita
Mino fa mbola ifankahita
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàInséré par : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Date : 17/09/2022 12:03