JESOA HAZAVANA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JESOA HAZAVANA

Tsy haiko ambara ny hafaliana
Mipololòtra anatiko ao
Nisinda teo ‘lay fahoriana
Fa tonga ny maraina vao

Lavo ny haizim-pijaliana
Fa efa tonga ny mazava
Nisinda teo ‘lay fahoriana
Ka faly aho, mirana sy ravo

Fa ny eo akaikinao Jesoa
Fa ny miaraka aminao Jesoa
Dia lavi-tsento sy manjo
Eny sambatra aho
Fa ny ora iray tsy anilanao toa haizim-pito
Satriko ihany re anilanao mandrakizay

Mifandimby anefa ny andro
Noho ny fandaharanao
Mety ho maty ilay masoandro
Ka ho kivy indray ‘ty zanakao

Ka aza avelanao irery
Hamakivaky alim-be
Fa mba arovinao tsy ho very
Dia ho sambatra aho re

Jean-Jacques RANDRIANARIMANANA (2007)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Fifaliana - Vavaka - Alahelo
747 1
Mpakafy: yajh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 07/04/2020 23:16
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125