Gina-paniriana (raozy mainty)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ginan'mpanirinaNakipiny ny masony tsy hahita anao intsony
Niniany novonoina ilay vetso tany ampony
Najanony ho nofy ilay inareo hiara dia
Tsy nataony fantatrao f'izy raiki-pitia
Ka ilay tsiky hita soritra teo amin'ny tavany
Misary filaliana nasetrin'ny fitiavany
Ilay fahoriana lalina nanjary niaretany
Niafiany tao anaty tsy hanjaka ny hetahetany
Ireny kisarisarin'ny ho avy faniriany
Fitantarany matetika ny amin'ny olo-tiany
Dia ianao ranoray fa nataony ahkamatatra
Noezahiny vonoina ny fo maniry fatratra
Tsy sangy tsy akory ilay tomany
Fa nihaotra ny fatra ny anatiny tany
Ilay bitsika mora efa tonga feo avo
Ilay hery faniriny efa nanakatra avo
Fa azy dia azy tsy ho fantatrao
Ilay hendrika edena hofihihiny ao
Ilay nofy mangina anareo mitambatra
Fo maniry ho tiana maniry ho sambatra
Herizo
--------
Lien:
Catégorie :
Fiononana - Fisarahana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana