Tiako ianao na dia..... (raozy mainty)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao na dia...Somary vazivazy
Ilay fitiavantsika roa
Tiako ianao satria
Nameno tambitamby
Ilay fery tao ampo
Tiako ianao na dia...
Tsy nisy nahalala
Fontsika nifandray
Tiako ianao satria
Nekeko ho malala
Sy ho mandrakizay
Tiako ianao na dia...
Nisy elanelantany
Nisy elanelan'taona
Tiako ianao satria
Efa hatrany andanitra any
Ny fontsiaka no nihaona
Tiako ianao na dia...
Toy nofy ririnina
Redirey tao anaty
Tiako ianao satria
Niriako nofihinina
Nekeko mandramaty
Tiako ianao na dia...
Tsy afa-notantanako
Amin'ny androko rehetra
Tiako ianao satria
Fitiavako sy namako
Na fotoana nanampetra
--------
Lien: