AIZA? (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA?Alina mangina
Alin-tsisy kintana
Na ny foko sina
Nototoim-bintana...?
Manontany foana:
Aiza ianao Malala?
Tsiaro babangoana
Misisika tsy miala...
Aiza? Aiza ihany?
Ny foko tsy mionona
Hany heriny tomany
No mamantam-bonona...
RFE Andria - 16/10/2015
(@ 1 ora maraina)
--------
Lien: