EO AMINAO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EO AMINAO

Eo aminao re ry Ray no ametrahako ny fiainako
Ianao irery no antenaiko hanafoana ny tarainako
Ireo teny fikasana izay nomenao no ifikirako
Ny famonjena atolotrao no ataoko hirahirako

Ianao no nanambara fa mihoatra noho ny vorona
Izahay zanakao izay Ianao no namorona
Eo aminao no ametrahako ny olam-piainako tsy zaka
Fa anaty ivom-piainako dia Ianao no manjaka

Ireo entako mavesatra, ô mba raiso re ry Ray
Fa efa lanaka aho izany nivongika azy hatrizay
Tsy mba manan-kianteherana afa-tsy Ianao dia Ianao
Izany no antony ametrahako ny fiainako eo aminao

RFE Andria – 15/10/2015 (misafo helika ny kary)
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1067 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 15/10/2015 06:09
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153