MALALA... (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niangaviana aho androany mba hamoaka an-tononkalo
Izato fihetseham-pony, ary koa ny fanaintainany
Fa tsy efany intsony noho ny endriny mimalo
Ny hanafina ao anatiny izany hiakam-pitarainany…

MALALA …

Malala an!
Tapa-kevitra aho anio tsy handrotsa-dranomaso
Na dia rava ilay fitia, nosomparan’ny ankaso.
Nefa, aoka ho fantatrao fa ny foko mbola tia,
Mbola ho tia anao hatrany n’aiza n’aiza misy an-drỳ.

Malala an!
Tsy nahiko, tsy niniako, fa nàhin’ny zava-misy.
Tsy avy taminao koa, tsy avy tamintsika mihitsy
Fa ny zava-misy ihany no nanao ankasomparana,
Ary tamin’izay koa ilay fitia no nifarana.

Malala an!
Ny alina no aoka hilaza ny ranomasoko nirotsaka
Ny fihovitry ny foko toy ny tany izay hihotsaka.
Ny fangainan’ny fanahiko, very fanantenana
Ka ny tenako mihitsy no nanjary tsy salama.

Malala an!
Hokoboniko ato anaty ny sentom-poko sy alahelo,
Hotehiriziko ho ahy irery tahaka ny tsiambaratelo.
Dia veloma, eny masìna, adinoy ny taloha,
Adinoy ireo fotoana niarahantsika roa.

RFE Andria
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
1399 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 14/02/2015 04:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172