MATOKY AHO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKY AHO

Tsy fantatro akory izay havoaky ny ampitsoko
Na ho tsara na ho ratsy mitaha amin’ny omaly
Fa ny azoko atao dia ny vavaka no afitsoko
Sy ny mino, manantena fa izany dia hivaly

Eo am-pelatananao no apetrako ry Raiko
Ny fiainako tontolo, ny amiko rehetra
Matoky aho anio fa hotsimbininao ny aiko
Satria ny fitiavanao soa tsy manam-petra

Ka na alina aza aho tena tsy nahita tory
Niady saina irery tsy haiko hoe nahoana
Tsy misy fanahiako anio na dia kely akory:
Matoky aho fa Ianao mitantana anoloana

Tsiky Arofanina – 13/10/2015
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana - Vavaka
1309 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 13/10/2015 04:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015