Aloka masoandro (Ted Raz)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aloka MasoandroNanazava indray ny lalako ny masoandro eny ambony
Fa indro mihatazako ilay farany tonelina
Nitodika niverina ilay tsy hipody intsony aho
No nisento in-telo maka namarana ny nenina
Nitazona ny havia ilay noheveriko ho vahiny
Tsy nomena anjara toerana hifikitra satria
Natao hoan'ny mpandalo ny kidoron'ny fandriany
Fakan'ny ain'ireo izay reraky ny dia...
Nisintona ny havanana ilay efa sasa-miandry
ilay mamiko sy tiako any an-tany lavitra any
Ilay mameno ny ati-foko na alina na atoandro
Ilay silako sy tokako miambina ny akany
Ka nanorana malefaka ity andro mibalikako
Fa tsy maintsy hialana ilay nanafana ahy teo
Dia ketrika sy ravo no tazana amin'ny bikako
Fa senton'ny alahelo ilay kiaka tsisy feo...
Kopa-tanana sy tsiky no nanaovana veloma
Dia niditra ny fiara aho hamonjy ny fodiako
Ny foko manantena fa tsy maintsy mbola hihaona
Rehefa any aoriana any aho ka rerakin'ny diako
Mandram-pihaona
--------
Rohy:
