Ampidiro aloha ny tenimiafina
Kilalao niserana (Ted Raz)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maintsy aho manaiky fa babonao sahadyNa fotoana tsy ary feno aza ny tsikinao nandalo
Ny foko no nibaiko moa ny saiko tsy mba niady
Tsy afaka nitsipaka ilay fiainako ho takalo
Tsy maintsy ianao nanaiky fa babo ihany koa
Namaly ampitsikina ny fy niriko ho ahy
Finidin'ny fanahy oe ilay nampiray ny fo
Dia iny ianao fa nihoatra ilay fefy tao antsaha
Tsy maintsy isika mihaiky, fa lalan-tsarotra ihany
No hiarana hizotra amin'ireto fo adala
Na diso fantatra aza, fa any ambadika any...
Eny e, ireny sento ireny no efa mahalala
Fa na tia ianao na tiako
Tsy mifankafoy mihitsy aza
Na ilay ela efa niriko
Na ilay tsy haiko milaza
Na tanteraka ilay nofy
Fahasambarana mangina
Na isika no voatokana
Ho tia sy tiana dia....
Tsy maintsy isika hihaiky fa nofinofy ihany
No tazomin-tsika hijanona, haka toerana ao ampo
Ny omaly naka mamy ny ampitso tsy ho androany
No tahotra mifehy ilay fitiavatsika roa
Dia na tia ianao na tiako, tsy maintsy hisy sento
Hameno ireny banga amin'ny nofy fanaperana
Hivavaka mangina ny ho avinao ho reko
Ho rakotra hasambaran'ilay kilalao niserana
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
