Kilalao niserana (Ted Raz)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maintsy aho manaiky fa babonao sahady
Na fotoana tsy ary feno aza ny tsikinao nandalo
Ny foko no nibaiko moa ny saiko tsy mba niady
Tsy afaka nitsipaka ilay fiainako ho takalo

Tsy maintsy ianao nanaiky fa babo ihany koa
Namaly ampitsikina ny fy niriko ho ahy
Finidin'ny fanahy oe ilay nampiray ny fo
Dia iny ianao fa nihoatra ilay fefy tao antsaha

Tsy maintsy isika mihaiky, fa lalan-tsarotra ihany
No hiarana hizotra amin'ireto fo adala
Na diso fantatra aza, fa any ambadika any...
Eny e, ireny sento ireny no efa mahalala

Fa na tia ianao na tiako
Tsy mifankafoy mihitsy aza
Na ilay ela efa niriko
Na ilay tsy haiko milaza

Na tanteraka ilay nofy
Fahasambarana mangina
Na isika no voatokana
Ho tia sy tiana dia....

Tsy maintsy isika hihaiky fa nofinofy ihany
No tazomin-tsika hijanona, haka toerana ao ampo
Ny omaly naka mamy ny ampitso tsy ho androany
No tahotra mifehy ilay fitiavatsika roa

Dia na tia ianao na tiako, tsy maintsy hisy sento
Hameno ireny banga amin'ny nofy fanaperana
Hivavaka mangina ny ho avinao ho reko
Ho rakotra hasambaran'ilay kilalao niserana
--------
Lien:
95 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113