TSY IZY REHETRA (Totyjim)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IZY REHETRAMamiratra ery ireto kitan-mirenty mandravaka ny avo
Misy am'reo ve ny hoe kintan-doza mpanindry ny lavo
Kinta-mainty aty mpikiky ny ferin'ny manetsetra
Na misy aza izany dia azoko inoana fa tsy izy rehetra
Toa kanto loatra tokoa ny natiora nataon'i Tsitoha
Haingam-pamelana,lovam-boninkazo hivadika ho voa
Misy am'reo ve ny maningotra aina mpametraka fetra
Misy dia misy tokoa saingy soa fa tsy izy rehetra
Mambabo ao anaty ireo angolan-teny voalaro'ny toky
Fanamasinana avy eo rehefa samy nametra-tsonia tam' boky
Misy amin'ireny tokoa ny soloky sy an-tendro-molotra ihany
Nefa tsy IZY REHETRA fa ilay tena tia tsy mahavita an'izany
Totyjim
--------
Lien: