Hafatra (TsiferanaII)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho lasa ianao aza manadino ny akany
Mba tsarovy avokoa ireo sentotsika sy tomany
Lasa ianao ka hitady ny mahasoa
Ny hany hafatro dia ny hoe mirarisoa

Lasa mety tsy hiverina intsony hanadino ny omaly
Hifindra tontolo fanindroa, hifaly fa efa hafa jaly
Ny any ankoatra mantsy hono no fianana
Ka dia hofoana atreo ilay fitarainana

Ianao no lasa fa ny tantara no hitoetra
Hitsingerina foana ireo fahatsiarovana rehetra
Hitempo eny ny fo kely izay nilaozanao
Hitsiky hifaly raha hitsena tantara vaovao

Tsiferana
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
512 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 30/03/2023 14:42
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144