I Dada (voatsinampy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana aho no tsy hanoratraMba hiseho ho Poety
Aleo koa ny tenanay,mba hanoratra hiventy
Dieny mbola velona izy dia aleo 'zahay hibada
sy handroso tononkalo ,izay momba anao ry Dada
NY ANAY NY DADANAY
HOY IANAREO?
RAHA VAO MIANTSO IZY
MAMALY TOA TSY TEO
VAO MAIZIMAIZIN'ANDRO
TSY MAINTSY MODY AN-TRANO
KA ZOKINAY MATETIKA
DIA MAHITA ANGANO
NY ANAY NY DADANAY
RAHA VAO FALIFALY
DIA MANDIHINDIHY
TOA TSY MISY JALY
ATSIPINY NY LAMBANY
KA LASA NY "AKIDODO"
DIA TAITRA NY AO AMBANY
FA TOA MIDODODODO
NY ANAY NY DADANAY RAHA TONGA AVY MIASA
VALABALAK'IZY,ANTSOINY ZAHAY ZAZA
"AVIA ASIO OTRA, DIA MBA HITSAKITSAHO.."
TSY AFAKA MANOATRA NA DIA TE HILALAO.
SADY IZY KOA TSY DIA NILA FANAFANA
FA NIOTRA SY NIEVOKA, IZAY DIA EFA NIAFANA.
NY ANAY NY DADANAY REHEFA IZY TSY FALY
TSY MISY ITENENANY AFA-TSY IKALAFARA
SADY MAHARITR'ELA A, MISY ANDRO VITSIVITSY
IZAY INDRAY IZY VAO MBA MITSIKITSIKY,
ASA ANGAMBA HOE MAFY NY FIAINANA?
DIA METY KIVY IZY TSY MISY ITARAINANA,
IZAO ZANY VAO TSAPA SATRIA EFA LEHIBE
KA RARINY IHANY NY AZY,REHEFA MIASA SAINA BE
FA RAHA ZAHAY ZANANY NO MISY MPANADALA?
REHEFA IZY NO MITSANGANA: MANDEHANA MIALA!!!
VE TSY TOY NY LIONA VONONA NY HIHINANA?
NY AZY INDRAY NY ZANANY AZA MBA KITIHINA
NY AHY NY TENA TSAROAKO TAMIN'NY ANATRAO RY DADA
"Ny olanao anaka,tsy tsara ny milaza
@olombelona izay tsy ahavaha izany
fandrao ho aparitany, eram-bazan-tany...!"
IZAY NO LAFITSARANY A,NEFA OLOMBELONA IZY
TOY IZAHO SY IANAO, MBA MANANA "BETIZY"
ZANY MOA RY ZOKY O, FA ALEO IZANY HO ANY
I JESOSY ANIE HAMELA NY FAHOTANY!
MBOLA VELONA IZY EFA MAHAZO TAONA
MIPETRAKA ANY LAVITRA KA ELA VAO MIHAONA
FETINAO ANIO, KA IZAY NO TORA-PO
NEFA TSY RESA-BE FA MARINA AVOKOA
ATOLOTRO HO FANOMEZANA SY HOVINAKIN'NY DAHOLO
FA TENA RAY IANAO SATRIA NIKOLOKOLO
HO REHAREHANAY RAHA TOA KA HOTONONINA
ILAY ANARANAO: RAZAFIMAMPIONONA
BONNE FETE DADA
--------
Lien: