Madagasikara kely ko (Volatiana Rahaga)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara kely ko,
Tiako, omeko anaram-bosotra
Hoe"kely" nefa tsy mahasosotra,

Any aminy ny saiko,
Vao misokatra ny masoko
Mahararirary ny aiko,
Raha tsikeraina ka ho vasoka.

Toerana ifaharako,
Sady koa reharehako,
Mampiakatra ny anarako,
Antony hisasarako.

Fototry ny toe-tsaiko,
Fakan'ny Soa Toaviko,
Toy ny "Fihavanana" lalaiko,
"Fifanajana" koa tsy laviko,

Hientanan'ny fanahiko
Nitadiavako olon-tiana
Lovako ny Tanindrazako
Nianarako ny "Fihafiana".

Rehefa tsinjoko iny Iva,
Ny masoandrom-bodilanitro,
Ka hitako f'efa hadiva
Hiketroketrona ny andriko.

Dia iriko raha mba any,
Ny fandriana hiarenako,
Ary izy koa no ho tany
Sy fasana hilevenako.

Anjoron-tany faha 23 aprily 2008.

Volatiana Rahaga
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1048 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148