Visavisaiko (Volatiana Rahaga)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay volon'andro mainty maloka kotroka,
Ilay raozy mena fitiavana tsy hosoka,
Ahatsiarovako anao.

Ilay vodilanitra lavi-takarina
Ilay masoandro iny njay efa miharina,
Mamoha izao tontolo 'zao
Ahatsiarovako anao.

Ilay mainty teo iky nivadika ho manga,
Ilay raozy teo manda tsy halazo,
Ny volana iny toa efa nitranga,
Ny foko eto ity mbola mihazoazo

Hijanona ve sa ho any aminao?

Ny saina mitrerona aterokalao!
Fitiavan-tandrimo tandremo ahafanina.

'Lay Visavisaiko ve any mba manina?

Anjoron-tany 17 desambira 2007.
volatiana Rahaga
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1081 1
Fans: Sohitika
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014