ALEOKO MITSO-DRANO (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa nataoko izay mety hitiavanao ahy!
Nikelezako aina fatratra hatramin'ny fanahy.
kay nenao fitia vetivety mora miofo mety ritra,
ka lasa izaho avy ity no mijaly mitondra kitra.

ka mirarary anareo roa,tongava amin'ny avo indrindra.
mahefa ny soa fa ny ahy ny foko efa nifindra.
tsy mahamenatra ahy ny mahita anao mapiaraka!
tsy ho saropiaro aho satria isika efa nisaraka.
tsy hahamenatra ahy fa aleoko mitso-drano,
hany sisa azo atao,tompo o!ty ny fiainako tatano.

Aleoko mitso-drano tohizay mangala-tety,
hoe "cherie" a!izaho antsoin'ny dadanay vetivety.
eny hoa e!izaho nandefitra hatrany,
fa saingy ny zavatra tsy fantatrao fa misy fidiny ny tomany.

Ka mandehana tsy misy arakaraka,
fa ny fitiavako aleoko omeko ilay manaraka.
aleo mitso-drano sy manendry tena,
raha ny ao am-poko efa nanaiky tsy noterena.
ka aleoko mitso-drano avy aty am-po,
fa ny olona mandefitra no tena tia tokoa.

5 sept 2017
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 11/01/2023 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141