MISAOTRA (AHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra anao aho ry aiko
Tamin'izay rehetra vita hatrizay
Betsaka tokoa izay nosedraiko
Nefa,teo foana ianao nanampy ahy

Raha tsy teo angamba ianao
Asa izay mety ho nahazo
Fa ny fiainana tsisy anao koa
Angamba toy ny voninkazo malazo

Misaotra ry lala, amin'ny fo tokoa
Nahafoy tena sy nahafoy fotoana
Eny betsaka ireo asa soa
Izay nomenao maimam-poana

Raha tsy nisy angamba ireny
Asa izay mety ho nitranga
Angamba aho tsy afa niteny
Nihanahana sy niambaamba

Misaotra be dia be ry tiana
Tamin'ny fitiavanao rehetra
Na indraindray aza aho variana
Dia tia hatrany, tsy manam-petra

Fa raha tsy nisy angamba izany
Dia ho kivy aho,ketraka sy very
Nefa tsy mba tahak'izany
Fa tsy navelanao ho irery

Mendossa 01 Jan 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2022 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139