ABORAHO (AnjaraNivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
A B O R A H O

Ny nofy anatinao?
Tsy misy fiantombohany io, tsy misy fiafaràny;
Fa fotsiny venteso toy izany ataoko izany;
Raiketo mba ho lasa ampahan-tononkalo;
Kanefa koa fantaro

Fa ny nofinofinao,
Ny vinavinanao
Amin'ny andronao ho avy
Dia anao samirery.
Aza aboraboraka fa maro mpamosavy
Mikendry lalan-dava ny hahapotika azy ireny.

Rahatrizay ka vita ny nofin-tenanao,
'Ndeha indray mba vinao
Aloha ny nofy ratsin'ny hafa:
Hoe any misy fo mifendrofendro sy maratra
Saingy vitsy mpahatsapa!

Sombim-pikafika,
Sombin-"teknika" ihany izay rehetra izay,
Fa anao ny aingam-panahy,
Anao ny hadalàn-tsaina;
Raha hisy tsiny hitobaka eo: ianao no hosavolaina.

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
519 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 12/03/2021 20:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442