F A N I L O (AnjaraNivo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANILOMaizina hono ny lalan-kombàna?
Amiko tsia,
Matoa tsy hitanao izany fahazavàna,
Dia mety satria:
Tsetsetra fotsiny no hoetinao miaina
Sy mandia izany
Ka rariny ianao raha ho sasa-taraina
Tsy roa aman-tany.
Ny fo sy ny saina sy ny hery, fanahy:
Ireo no fanilo,
Ka 'reo no laroy amin'ny herin-dehilahy dia
Rafeto ho jiro fa
Ho hitanao eo ny firehetan'ny kintana
Anaty haizim-pito,
Sy izay fahombiazana Irahin'ny vintana
Hivoaka rahampitso.
Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
Mpakafy:
Ainampaniry Anjara Nivo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivoNampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 19/03/2021 07:57