REHEFA TSY ANJARA (AnjaraNivo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY ANJARANa manja toy inona ny endri-tantara,
Na efa mpivady nandritra ny taona;
Ny olona tiana rehefa tsy anjara
Tsy maintsy isarahana ho azy eny foana.
Ka aza mba mino ny toky fitia
Dia aza malemin'ny voady fanao
Fa mahafaty tampoka ireny satria
"Ny tiana tsy anjara" tsy maintsy mandao.
Tsy maniry loza tsy akory aho milaza
Fa kosa hanamafy ny fo mba hahery:
Ny voady sy dina amin'ny andro malaza
Dia nofo toa ahy no miteny azy ireny
Mety ho voaovan'ny andro mandalo,
Rehefa mahita fitia any an-kafa;
Mety mivadika, tonga fahavalo
Dia mety misompatra sady mandratra.
Ka raha sanatria hoe tanteraka izany
Dia tsarotsarovy izao hafatro izao:
"Aza manefy ny nofo hitomany
Fa ny aretim-po tsy misangy aminao"!
Ainampaniry AnjaraNivo
--------
Rohy:
Mpakafy:
masoandro maintso - Ainampaniry Anjara Nivo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivoNampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 12/12/2021 02:34