Manina havan-tiana (ANDO ROCHELINAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina havan-tiana
(atolotro ho an’ireo fianakaviana any an-tany lavitra any)

Ry voron-kely iny
Raha ho any ihany ianao
Ity hafatro re mba vimbino:
Tsy nohadinoiny hoe ny fahiny
Fa voarakitra hatramin’izao
Tsy mety maty fa ao am-po ao

Dradradradrao ho rèny any
Fa ny fitadiavana mahazaka maniraka
Tsy mahafoana ny firaisam-po;
Ka na lavitra aza ny elanelan-tany
Ny aty tsy mahatombin-tsiraka
Fa mbola mahatoky tokoa!

Lazao azy fa ilay rà nampiray
Mbola mikoriana ao anaty
Manasa ity endrika dibo-pahoriana:
Ny embona mantsy mbola mivaivay
Ny alahelo mila tsy ho tanty
Fa tena manina havan-tiana

Ny fanantenana hono hoe ao am-pony:
Dia mbola ho avy ianao hampisava
Hampahery, eny hampitony
Rehefa injay mifanatri-tava


Ando Rochelinah (07/05/03)
andorochelinah@yahoo.fr
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1493 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDO ROCHELINAH
Nampiditra : RAILOVY
Daty : 11/01/2007 05:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146