Miranto tsy foiko (Anj'art Nantenayna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atao ahona moa Ny manafina ny vava
Mamihina ny fo
Ka tsy hamboraka sy hilaza
Hangina ka tsy hiteny
Manolona ny anao
Ny andro lava aza niafina ireny
Embona efa lava izao
Ataoko ahoana ny hangina
Tsy ho aiko ny hitony
Ny tsy hilaza faniriana
Mibahana ny fony
Tsy aiko ny mangina
Manoloana anao
Ka na maika aza hianao hiavona
Ambarako eto izao
Efa tena tiako ianao
Tiako tsy hita fetra
Tiako tsy mba kilalao
Ny aminao rehetra
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art NantenaynaNampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 01/03/2018 12:51