DIAVOLANA (ANJARA7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena lafatra tokoa ,na dia alina aza ny andro
Ny hazavanao ry volana ,anolonao lay masoandro
Izato taratrao malefaka,mitory hatsaram panahy
Mampitony zany saina,mba tsy hisy ahiahy

Fotoana iray tena mamy ,any Ambanivohitra any
Ilay andro diavolana,hanadinoina ireo olana
Fa ny andro diavolana,dia fihaonana iray
Anehona amin korana,ilay fihavananay

Fifaliana sy kotaba,ny an dry Bozy sy ry Koto
Ravoravo milalao,mandihy tsy reraka mitoto
Toto-rebika sy dihy ,hirahira sy korana
Diavolana ny andro ,ka fety be ao an-tanana

Ka tena satriko eh!ry Volana ,ilay taratrao tsy horava
Hisehon 'ilay fihavanana,@fety lalandava
Nefa kosa re nahoana,ilay andro diavolana
Raha ndeha hatao an tsaina hatrany ,"dia ilay fihavanana tsy ho lany"
--------
Rohy:
2571 0
Hevitra mandeha
endrika01 ( 27/03/2010 13:54)
tsara be ilay vetso njy!
tena manana talenta ,tsara miintsy njy!!!!!!!!!!!
ANJARA7 ( 29/08/2010 13:36)
merci aky ah!njy ary no tena manana talenta kou!!!
endrika01 ( 05/09/2010 11:44)
noverenako novakiana akia fa saiky lasa 'amôrôzy zany zah eh!,hummmm!
iny tara-bolana iny! "
bobone ( 07/09/2010 14:06)
hmmm tsara akia an ! miakatra mihits ny aingam-panahy !!!
izany ilay hoe @ plasiny !!! misaotra e!

saingy indrisy re ry Anjara
fa ilay fihavanana andrandraina
izay hatao ao an-tsaina
toa miha-mihen-danja hatrany

fa taloha mifaly havanja ny ankizy
mikotaba izay tsy hizy
manao rahosi-jamba
manampi-maso amin'ny lamba


toa vitsy zany ankehitriny
fa hafa ihany ny fahiny

hihi aoka zay kah hihihi sur ord io lasa ho azy eo fotsiny aingam-panahy
misaotra Anjara an
kisss mamy be



ANJARA7 ( 05/02/2012 16:32)
bobone>isaorana koa ianao nanohy azy@marina e!mafinaritra b ny aigam panahy nao koa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANJARA7
Nampiditra : ANJARA7
Daty : 13/02/2010 19:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148