mitandrema (cedric tolojanahary)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tandremo lahy,ny manompo.Ny andriamanin-kafa.
Fa mamitaka izy ireny.
Ny tena tsara indrindra.
Ny manompo ny avo indrindra.
Andriamanitra mahery.
Dia 'lay tsitoha,Hatr'izay hatr'izay.
Ilay hatao hoe haba Ray.
Mitandrema,miambena.
Tano mafy ny finoana.
Ataovy am-ponao foana hatrany.
Ilay tsitoha mpanajary.
Mitandrema ianao ry zandry.
Fa 'lay ratsy tsy misangy.
Fa mikendry isan'ora.
sy misoko moramora.
Mitandrema,mifohaza.
'Lay mahery no torio.
Fa ny andriamanin-kafa hario.
Koa tafio ny herin'ny fanahy.
Miambena mivavaha.
Cedric tolojanahary
--------
Rohy:
Sokajy :
hafatra ho an'ny mino
Mpakafy:
cedrictolojanahary04
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : cedric tolojanaharyNampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 13/09/2019 15:57