ny fahazazako (cedric tolojanahary)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahazazakoMampitamberina ireo tsiahy,
Sy ireo lasa fahiny.
Tsaroako ankehitriny.
Nitomboan'ny fahalalako.
Ireo ankanin'ny fahazazako.
Ireo rehetra nandalovako.
Tsy voatanisako ankehitriny.
Tsy ho hadino velively,ireo fahakelinay fahiny.
Ny kilalaonay tamin'izany.
Marobe tsy voatanisa.
Ny rahosijamba.
Ny ankiafina.
Ny papango sy ny sisa.
Toa mahalasa vinany.
Ny mandinika izany.
Fa na dia fahazazana aza ireny.
Tsy ho hadino velively.
Fa kosa ankehitriny.
Toa tsy hain'ireo ankizy,ny kilalaonay fahiny.
Asa lahy!!nahoana loatra??
sa ve hoe...efa nivoatra.
Ka hadino ny taloha.
Ny ahy kosa tsy izany,fa raiketiko ato am-po.
Antson'ny fanahy
--------
Rohy:
Sokajy :
fahazazana
Mpakafy:
cedrictolojanahary04
Hevitra mandeha
lantoratsida
(
17/11/2020 14:13)
Alama Ny Atson'ny fanahy. Mba afaka indramina ve ity tononkalonao ity? misaotra
cedrictolojanahary04
(
19/11/2020 00:32)
Eny tompoko!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : cedric tolojanaharyNampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 15/09/2019 13:07