MITOMANIZA IANAO RY FOKO (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marary indray ianao ry foko satria migoka fahoriana
Toa sady mitomany koa,f'angaha nilaozan'olon-tina
Toa lasa ranomaso indray ilay hikahikam-pahasambarana
Izay fisalotrao fahiny, isaky ny varavarana
Ka mitomaniza ianao!

Mafaitra loatra toa tangena,tena mafy tena mafy
Tsy nampoizina mihitsy, ny silakao kay mampirafy
Mifindrafindra saha matetika,toy ny lolo am-pelambony
Mitsetsitsetsitra ny tsy azy, mandrobandroba anaty fony
Ka mitomaniza ianao!

Hay kay ny azy velirano misalo-pitaka sy vandy
Fa ny foko no adala dia,sahy nanolotra ny sandry
Ka namihina nitazona nino f'efa izy atrany
No anjaram-pahasambarana mandram-pila ety an-tany
Ka mitomaniza ianao!

Iza kay no dokotera afaka mitsabo fery
Iza kay no olon-tina afaka mipetra-drery
Tsy mifinfrafindra an-kafa,na dia iray segĂ´ndra monja
Fa manaiky ny fitiavany,hoe gadraina anaty fonja
Izay fonenan'olon-tokana!

Mety tsisy angamba izany
Eraky ny vazan-tany
Tsy maintsy minam-pangidina
Rehefa manan'olon-tina
Ka mitomaniza hatrany!
--------
Rohy:
16 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 15/10/2024 12:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014