ARAHABA TRATRY NY TAOLANA (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga indray ity taona
ny asara manitra ny gasy
tsara kosa raha mihaona.
mifampiharahaba an-taratasy.

tonokalo mantsy tony,
no azo afafy toy ny vony
fa hanahoana ny ho ampitso
raha ny gasy no

mety ho mafy noho ny androany
efa fantatra avy hatrany,
tsy hanatena itony volana
na ariary zato ampandriana.
hoy manko ny voambolana.
rahoviana ihany vao sina?

hifampihantsoantso hoe
hé ! tratry ny taoalana.
tsy taola-pifika sanatria re,
fa taola maina efa nahoalana.

mahereza daholo,
mazoto miasa,
fa ho fotsy volo.
vao ahazo ny kinasa

dadatsima ihany e 2017 ny 5 janoary
--------
Rohy:
1195 1
Mpakafy: dadatsima
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143