Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsindrio fa lavo (Ny Avo Elabakaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahetry ny lanjany rariny, navadika ilay tena hitsinyNofoanana ny tody sy tsiny, nahifika hiala any an-tsisiny
Dia samy manao izay tiany ny manambola sy manankatao
Manao izay daniny kibony, hanindrina madinika izao.
Ny fanambakana no lohalaharana entina hitadiavan-karena
Dia izahay madinika ihany no voatsindry, nefa efa ory sy mampahonena
Ka an'iza ny fitovian-jo sy ireo fahamarinana?
Dia nohamaivanina ve hampanjakana ny jery tongilana?
Norahonana izay mba nampiseho, fa tsy rariny ny zavamitranga
Tohan-kevitra no nantenaina, nefa fahafatesana no arangaranga
Dia aiza ny marina amin'izany, notehirizina ho rakitry ny ela
Tsy ampiasaina fa atao rehareha hoe: ny marin'ny Gasy dia mbola tavela.
--------
Rohy:
Mpakafy:
Iandria
