FOLO TAONA SERASERA (endrika01)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folo taona mitsingerina
Antenaina tsisy nenina
Ny ezaka rehetra efa natao
Hikatsahana 'lay fiainam-baovao

Folo taona an-tserasera
Tranonkala Malagasy
Ka andao hanainga vera
Tsy an-kanavaka fa gasy

'Lay serasera kolontsaina
Tara-masoandro vao maraina
Tranonkala Malagasy
Haingoin'ireo bilaogy gasy

Tononkalo,tononkira,klipgasy
Bizna,antso filazana,Radiovazogasy
Takelaka.org, wikianja, Baiboly
Antsary, sarin-tava, s'ireo karazam-pialamboly

Dinika forum, filazana manjo, infogasy
Lisitra mailaka, tahiry tena gasy
Ohabolana, namana, lalao
"Zay voarindra ao amin'pejy vaovao



(mbola hitohy) Beyrouth 03 Octobre 2009
--------
Rohy:
2815 1
Hevitra mandeha
raozigasy ( 03/10/2009 20:29)
Misaotra anao e
endrika01 ( 04/10/2009 04:46)
Mankasitraka ny mpiandraika sy ireo mpiara-miasa rehetra e!Nitoto nahafotsy,nahandro nahamasaka,matoa tonga amzao faha -10taona izao!Tsy nikely soroka ianareo na maro aza ny olana tsy maintsy nosedraina,teny an-dalam-be mideza!!!De irina,hitohy hatrany ny serasera ambohi-pihaonana hoamin ny folo taona manaraka indray!!! ;-)
sipagasy ( 05/10/2009 07:54)
mahafinaritra tokoa fa dia misaotra @ aingam-panahy e!
maeva74 ( 05/10/2009 13:10)
Folo taona
maeva74 ( 05/10/2009 13:16)
Tsy azoko hoe nahoana fa dia lasa fotsiny ilay teo aloha ngamba mbola tsy mety

Serasera

" Folo izay no nahitanao ilay masoandro
izahay kosa mbola vonona
ny hamangy anao isan'andro isan'andro
Ianao ilay sehatra nahitana soa
Tao ireo raikitra toy ny fitiavan' olondroa"

Misaotra an'i Endrika amin'ilay angam-panahy e!
mangidy ( 05/10/2009 15:20)
Folo taona Serasera
Nifandomantsika vera
Sy nihinanana mofomamy
Bdb tsy nety lany!

Nitsatiana nihirana
Nanalana hanihany
Dia ny mbola irariana
Ny ahitanao olontiana

Ny anananao namana
Sy andrindrana fihavanana
Nefa mitandrema ihany koa
Ianareo re Ramatoa
Raha sendra ilay tovolahy
Izay nambabo ny fanahy
Izay nampanantena teny mamy
Enga anie tsy ho anio ihany!








endrika01 ( 09/10/2009 22:21)
Sipagasy > tsisy fisaorana e, Maeva74 >misaotra antsika sika e,de toy izany kou i mangidy! Tsy ratsy mints le vetso an,mmmhhh,zah nge ry i mangidy ka vao 2taona zay no tato e,le fandom-bera tena reel t@fetiny serasera,mbola tsy tafa zah na indraipa aza,fa ilay dom-bera lazaiko @io vetsovetsokely io;de ilay fiarahana mankalaza na virtuel fotsiny iany aza!!!Misaotra e :D
mangidy ( 09/10/2009 22:40)
Endrika01 mbola ho maro ny fotoana
Iarahantsika eto foana
Na realy na virtoaly
Isika jiaby samy ifaly
Mofo mamy ,teny mamy
Tsy anampetra tsy ho lany
Noho ireo tononkalo maro
Angano hira mifangaro,
Vetsovetso no natambatra
Nahaliana nahasambatra
endrika01 ( 11/10/2009 04:31)
mangidy > 'reo no faniriana,nefa asa lahy!
Raha aharitra,hiandry ilay folo taona mbola ho avy!
8 andro zay no lasa!!!!
mangidy ( 13/10/2009 21:43)
Raha toa ka mbola misy ilay fitiavana iarahintsiky
Na misy aza ireo ankaso nandatsaka ireo ranomaso
Isika rehetra samy mino! ireo disadisa alaviro
Ny fitiavantsika namana, na fanampiana izay tsy manana,
No aoka atao tarigetra, satria ny soa tsy anampetra
Valo andro , folo andro, ampitomboana atrany atrany
K'ireo adiady samihafa, ho soloina hanihany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : endrika01
Nampiditra : endrika01
Daty : 03/10/2009 13:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107