MOA TSY SATRY FOANA ? (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa tsy satry foana hiaraka hitosy eo anilan'ilay tiana ?
Rehefa miara-dalana iny dia malaina hifandao.
Nefa avy eo mety hahita tsaratsara eny an-dalana fodiana;
Satria, hono, ny olona mora taitran-drandrambao.

Moa tsy satry foana hianoka ny fy ?
Rehefa ela nihinana anefa dia tsy maintsy lany;
Nefa raha sendra ny mamy, ilay tsiro teo hadino ary.
Satria, hono, ny olona mikatsaka ny lafatra hatrany.

Fidy Art Niaina - 05 Jolay 2018 - 12:32
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
218 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147