Sahobakaka ambodiriana (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahobakaka ambodiriana

Sanatria ve nofy ilay foko nankafizina,
ilay nentinao nitosy ary koa nampandihizina ?
Nobitsihinao fitiavana ny sofiko efa liana
tsy nihevitra fandavana fa nanaiky ho tiana.

Sanatria ve nofy ilay anarako nohiraina ?
Jenitra nioty ny fitiava-nolalaina,
fatra-panantena fo tsy mahay mamitaka,
jemby sy jambena ka he nibitabitaka !

Sanatria ve sosony no toerana sahaza
ka hafoifoy fotsiny ilay faniria-malaza ?
Ilay nandraindraina ela ho to rahatrizay
moa tsy maintsy havela fa tena mahafay ?

Raha sanatria tsy ho to ny rehetra nokasaina,
hatao ahoana moa fa amboarina ny saina !
Fa tsara raha izao dia miezaka mionona
fa ao afaranao, mbola misy vonona.

Heriarilala Andriamamonjy, 9 sept 5:24
--------
Rohy:
121 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141