Ny tena fitia... (honenantsoa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena fitia izany!Tsy endrika amam-bika
Na vola aman-karena
Fa ny fihetanam-po.
Ny tena fitia izany!
Tsy hay hazavaina
Tsy voa-tantaraina...
Toa haningotra aina.
Ny tena fitia izany!
Mampitomany,mampifaly.
Hahatsapana ngidy sy mamy;
hileferana.Fiharetana hatrany.
Ny tena fitia izany!
Tsisy taona na saranga.
Fitiavana Ilay lehibe....
Tiana no mitombo tarehy.
; honenantsoa
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
honenantsoa