Ampidiro aloha ny tenimiafina
MANONOFY (ikaloyna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANONOFY Tiako hofohazina ny fotaka efa mandry
Navalon’ny fotoana
Satriko hofongarina ny lavenon’ny asara
Ambanin’ny forohana
Mamiko hitampody ny dian-tongotsika
Natelin’ny onjan-drano
Iriako mbola hombana ny lalàna fahiny
Komavoky ny elana
Kasaiko hanidinana ilay habakabakan-kalo
Filalaovana diavolana
Ankafiziko hovakiana ilay diary voatahiry
Anaty vatambakoba
Nofisiko ho rakotra vonim-pandeferana
Ilay amontana mandrombona
ikaloyna
--------
Rohy:
