Satriko foana... (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIKO FOANASatriko foana ny ho eo anilanao
Saingy iram-piti tiko hitoetra ary koa tsy hanapetra
Satriko foana no hipetraka eto
Saingy mbola lavitra ny lalana ka tsy afaka mipetraka amin’ity adidy mavesatra
Satriko foana ry malala
Ary tiko foana raha hiara-dala
Saingy fitia mandrakizay tiko haorina no iriko ka tsy azo esorina
Satriko foana rahavako
Hibanjina eo anoloanao foana ny tavako
Saingy handeha ihany satria tinao haorina lay fitia
Satriko foana ry tiko
Eto anilanao foana ifaliako
Saingy mbola betsaka ny hatao ka aza tsiny raha handao
Satriko foana sombinaiko
Hahita anao foana holalaiko
Saingy avelao aloha aho handao, hanarenana izao ho avin-tsika izao
Satriko foana zany
Satria enao lay tokako eto an-tany
Saingy lasa aloha aho ho any, mba hanorenana lay ankany
.
(Ilay FANAMBY,iram-pitia ,septambra 2021)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Fisarahana - fiainana - fanantenana - Fampaherezana - Alahelo - Aingam-panahy
Fans:
Ilay FANAMBY
