RAOLOMBELONA (ILIMIM JIVISDI)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOLOMBELONANitady harena ianao, tamin’ny fo tokoa
Nandranto fahalalana mba hikatsaka ny soa
Ny tanjonao anefa dia ny hameno ireo banga
Anefa ankehitriny, tsy izany no mitranga
Ny fandrosoana maro izay noheverina ho tsara
Tsy nampoizina hamotika ny zanaka am-para
Hany ka mihalevina ny atao hoe: “Fanhendrena”
Tsy hita taratra eny intsony ny maha Olom-pirenena
Dia ho adinonao va re!? Ireo fomba amampiteny
Noratovina fahiny, tamin’Ikaky sy i Neny
Ireo fomba amampanao, ny toe-panahy fitafy
Olombelona natiora nahay niaina sy nihafy
Tsy diso ianao akory raha mahay mandanjalanja
Hahay hitondra tena mba ho tonga Olomanga
Amin’izany ny rendrarendra ho tsapanao fa zava-poana
Ô RAOLOMBELONA hantenaiko ianao tsy hivaona
[ILIMIM JIVISDI]
--------
Rohy:
Sokajy :
Kolontsaina - Fifaliana - tantara - fananarana - Fiaraha-monina - Fampaherezana - fanantenana - Fahatsiarovana - Tanindrazana - Alahelo
Mpakafy:
Iarindria - ILIMIMJIVISDI