Lambo sy tanalahy (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny ady : volom-balala ka izay tia azy ihany no ditsoka !"

Isao fa tsy tambo
Ny foka be hambo !

Nahita ny tana nijoko valala
Tamoron'ny ala,
Ny lambo nitoha.
Dia hoy ny fiteniny : "Avia, ry 'lay kely,
Raha te hifamely,
Hanao katro-doha !"
_ "Tsy sarotra izany, ry Ikaky malaza,
Fa sangin'ny zaza !
Farito ny tany !
Izaho dia kely, ka haka avoavo,
Fandrao mora lavo,
Ka vao hitomany !"

NianĂ²tra ny lambo, nanao fara hery,
Ka tsy mba nijery,
Fa tonga dia tonga !
Ny tana nihataka, niala ny vato.
Ny lambo tsy niato,
Ka voa, ry kilonga !
Nipempo ny vato ! Nanako ny saha !
Odrey ! Raharaha !
Ny tana nitsaika ! Ny lambo nitsitra !

Hendre ry maditra !
--------
Rohy:
892 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153